← Hiverina any amin'ny pejy fototra
Mbola mitohy ny fanomanana ny fifaninana Baiboly Masina izay karakarain'ny Afafi sy ny Association Mamindrasoa Ambohijanahary Antehiroka, St Stanislas Kostka. Mbola afaka maka ilay fandaharan-tsoratra masina vakiana ianareo rehetra izay liana te handray anjara, na miantso mivantana ny tompon'andraikitra.
📖 Fifaninanana Baiboly Masina Andiany Faha-3
"Ary ny teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika." Jn 1:14
Fifaninanana Baiboly Masina Andiany Faha-3
izay atao ao amin'ny Akany Paradisan'ny Ankizy Ambohijanahary
Inona ny tanjona ara-panahy tianao tratrarina amin'ity taona 2026 ity?
Andao hiaraka aminay hanao dingana lehibe, hanazatra tena hamaky ny tenin'Andriamanitra mandritra ny 365 andro. Manomboka amin'ny boky Jenezy ka hatramin'ny Apokalypsa.
Antony: Izy no tia antsika mialoha, ka hiezaka isika hamaly fitia Azy, hahafantatra azy bebe kokoa, hiresaka amin'ny isan'andro amin'ny famakiana ny teniny masina.
Mahafoy 20mn isan'andro ve ianao hiresahana amin'ny Tompo?
TSY MBOLA MISY FISORATANA ANARANA ALOHA FA AFAKA MAKA ILAY PLAN IZAY MAZOTO. MILAZA ETO IHANY REHEFA MANOMBOKA NY FISORATANA ANARANA.
Azonao alaina eto ny plan mirakitra ny vakiteny harahina isan'andro.
