ASSOCIATION MAMINDRASOA
TOKO TELO: Finoana - Firahalahiana - Fanompoana
« Ampanetretena sy fitiavana no entina manompo ireo mpiara-belona, ho voninahitry ny anaran'ny Tompo. Eo ambany fiarovan'ny Maria Mpanjakavavin'ny Lanitra. »
Tantaran'ny Fikambanana
Taona nanombohana: 1998
Ny fahitana ny fahasahiranan'ny mpiray monina sy ireo ankizy maro tsy mandeha an-tsekoly, no nahatonga ny faniriana tamin'ireo tanora tany amboalohany nanorina ny fikambanana, izay notarihin'ny Rakotoarimanana Jean Maurice.
Ireo tanora niaraka taminy tamin'izany:
Mme Eliane • Mme Patricia • Mme Sylvie • Mr Jose • Mme Malica • Tahiry • Corine
Soso-kevitra avy amin'ny Frera Ratsimbazafy Jean De Dieu ny hoe maninona raha manangana sekoly hanampiana ireo ankizy mba hahay hamaky teny sy manoratra. Nanomboka niasa izay notohanan'ny group FIDES avy any France amin'ny famatsiana ny karaman'ny mpampianatra, fividianana ny tany sy ny fanorenana ny sekoly.
Ireo Asa Ataon'ny Fikambanana
1. Fanampiana ny ankizy: Ny Akany Paradisan'ny Ankizy dia misy classe taona voalohany, ka hatramin'ny classe de 3eme. Mahery ny 300 ny isan'ny mpianatra. Mpikambana no ankamaroan'ny mpampianatra, fa misy ihany ireo mpampianatra avy any ivelany manampy.
2. Fanampiana ny zokiolona: Mizara fanampiana in-droa isan-taona, mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ary alohan'ny fetin'ny Krismasy. Ireo zokiolona tena sahirana eny amin'ny fokontany manodidina no mahazo.
3. Ara-panahy: Mandray anjara amin'ireo asa maro samihafa ao amin'ny fiangonana Md Stanislas Kostka Ambohijanahary Antehiroka. Mikarakara fifaninana baiboly, hanentanana ireo kristianina ho tia sy hazoto mamaky ny tenin'Andriamanitra velona. Ary manabe hatrany ireo ankizy ara-tsaina sy ara-panahy ho tia mivavaka sy manompo ny Tompo.
👥 Mpitarika ny Fikambanana
Filoha Mpanorina
Rakotoarimanana Jean Maurice
Filoha am-perinasa
(misolo isaky ny 3 taona)
Ravololomalala Eveline Malica
Mpisolo tena ny filoha mpanorina
Rakotoarisoa Fanjanirina Eliane Marie Brigitte
Talen'ny sekoly
Ravaoarisoa Marie Adeline Stella
Mpitahiry Vola
Raharimanana Sonia
Mpitan-tsoratra
Razafindratsara Tianasoa Heriniaina
📞 Fifandraisana
| Adiresy: | Akany Paradisan'ny Ankizy Ambohijanahary Antehiroka |
| Email: | mamindrasoa@gmail.com |
| Phone: | +261 34 08 357 76 (Filoha Malica) |
| Facebook: | Mamindrasoa Fb |
