Akany Paradisan'ny Ankizy - APA
Manabe ireo zaza mahantra ety amin'ny manodidina
Classe de primaire
Ankizy malagasy tia fianarana
Ito ecole ito no manabe ireo ankizy classe de primaire, izay ahitana hatramin'ny classe 7eme. Ny taona 1998 no nanombohana ny asa tao amin'ny tranom-pokonolona Ambohijanahary antehiroka. Nisy teo amin'ny 15 mahery teo ny isan'ireo mpianatra tamin'izany. Tsy mbola nisy seza nipetrahana tany amboalohany fa tamin'ny tany daholo no nipetraka. Amin'izao efa maherin'ny 300 ny mpianatra ary misy hatramin'ny classe secondaire.
Classe de secondaire
Mandroso hatrany ny tanjona
Noho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanampiana avy amin'ireo mpanohana avy any ivelany (FIDES) dia afaka manohy fianarana ireo zaza malagasy, ary nitarina ny sekoly. Hisaorana Andriamanitra sy ireo mpanohana rehetra fa misy hatramin'ny classe de 3eme amin'izao ao amin'ny Akany - APA ary afaka mitahy amin'ireo sekoly ety amin'ny manodidina raha eo amin'ny ara-pahaizana no resahana.
