Fanampiana ireo zokiolona sahirana
Mizara sakafo sy entana madinika ho an’ireo ray aman-dreny sahirana ety amin’ny manodidina ny fokontany. In-droa isan-taona no hanaovana azy: Volana Jona sy Desambra
Akany Paradisan’ny Ankizy
Mampianatra ireo ankizy zanak’olona sahirana ara-pivelomana. Efa misy kilasy ambaratonga voalohany sy faharoa amin’izao.
Mpikambana
Ny fikambanana Mamindrasoa Soa dia misokatra ho an’ireo olona rehetra tia manao asa fanasoavana ny piara-belona. Tia manome sy mizara ary tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany. Ny tanjona dia ny fizarana ny fahasoavana ho an’ireo sahirana …
Fankalaza ny faha-25 taona
Manasa antsika rehetra tsy ankanavaka ho tonga hanotrona anay. Ny tao-trano tsy efa-nirery ary ny adidy tsy an’olondratsy.
Fandaharam-potoana
1 Jona 2024:
- Lamesa amin’ny 10 maraina hiarahana amin’ny mpianatra rehetra ao amin’ny Akany. Ao amin’ny fiangonana Katolika Ambohijanahary.
- Aorian’ny lamesa dia hisy fiaraha-misakafo miaraka amin’ireo mpianatra rehetra sy ireo zokiolona voafidy, ary koa ireo vahiny nasaina.
- Ny tolakandro dia fety korana andraisan’ny mpianatra rehetra anjara.
9 Jona 2024:
- Dèjeuner Dansant. Hiarahana amin’ny tarika Adelson sy Ram’Hors, manomboka amin’ny 11 ora maraina. Ao amin’ny espace Ravimpotsy.